Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Naiditra vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Farafangana ilay ben’ny Tanàna an’i Tangainony voarohirohy nanolana zazavavikely 9 taona. Tsiahivina fa nierany tamin’ny ray aman-dreniny ilay ankizivavikely mba ho naman’ny zanany ny 30 septambra lasa teo. Natory tao an-tranon’ilay olom-boafidy araka izany izy ny alin’io. Ka raha sendra taitra maraina iny ilay ankizivavikely no nobataina tampoka ka nentina tao amin’ny efitranony ary nanaovany herisetra ara-nofo.

Voavely tampoka sady mbola voaendaka. Izay ny nahazo ny tovolahy iray hamonjy fodiana niaraka tamin’ny namany ny alahady hariva teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany teo amin’ny fokontany Tanambao Seimad-Nosy be-Hell ville. Niaraka tamin’ireo namany roa lahy hafa izy saingy nijanona an-dalana nivalan-drano. Tampoka teo anefa, nisy nively tamin’ny hazo lehibe ny lamosiny, mbola voafira antsy koa ny lohany. Tsy vitan’izay fa mbola norobain’ireo jiolahy ihany koa ny « tablette » teny aminy. Taorian’izay nitsoka avy hatrany ireo olon-dratsy.

Les commentaires sont fermées.