Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tovolahy efatra voasambotra: zandary iray maty voadaroka sy voavely tavoahangy

Tovolahy efatra voasambotra: zandary iray maty voadaroka sy voavely tavoahangy

Noho ny fahaverezan-dra be loatra tamin’ny ratra nahazo azy, tsy tana ny ain’ilay zandary (adjudant-chef), maty voadaroka no sady voavely tavoahangy, raha izy niditra an-tsehatra nanasaraka olona mamo niady.

Nihatra aman’aina, ara-bakiteny, ny nanjo ity zandary iray maty noho ny adalan’ny sasany, tao Mahazoarivo, Antsirabe, ny alin’ny alatsinainy teo ity. Namoy ny ainy, omaly talata, noho ny ratra nahazo azy mantsy ity zandary iray ity. Teo amin’ny handriny sy ny fihirifany no voadaroka sy voavely tavoahangy ka izao nitarika  ny fahafatesany izao. Noho ny tabataba sy fanakorontanana nataon’ireo andiana tovolahy mamo tao amin’ny bara karaoke iray teo akaikin’ny trano misy ny rahalahiny, niditra an-tsehatra nandamina izany ilay zandary. Nandritra izany no nitrangan’ny fifanjevoana. Efa niakatrakatra rahateo ny hamamoan’ireto tovolahy ka tafavoaka  teny ivelan’ilay bara mihitsy ny tabataba sy ny fanakorontanana ny manodidina.

Nandray ny andraikiny amin’ny maha mpiara-monina, ary koa amin’ny maha mpitandro filaminana nanoloana ny savorovoro nitranga izy ka nanasaraka ireto zatovolahy nifandramatra niady. Izy indray anefa, araka ny voalazan’ny tatitry ny zandary no nanamparan’ireo tovolahy ny hamamoana sy ny hatezerany ka teo no nahavoa azy.

Voalaza fa vaky mihitsy ny handriny sy ny fihirifany voavelin’ny tavoahangin-toaka nosotroin’ireo andian-jatovo. Naratra mafy, vokatr’izany, ilay zandary ka na dia nentina novonjena haingana tany amin’ny hopitaly aza, tsy tana ny ainy.

Olona enina voasambotra

Nantsoina avy hatrany ny polisy nanao fisafoana, ny alin’io tranga io. Maro ireo zatovo voasambotra tamin’izany, izay mbola tao tao anatin’ny ady tanteraka. Hatreto, miisa enina ireo zatovo efa voasambotra ary heverina mbola misy namany hafa nahavanona ny loza. Mbola manohy ny fanadihadiana sy famotorana mikasika ity raharaha ity, araka ny fantatra ireo zandary ao amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava ao Vakinankaratra.

Fantatra fa miasa ao amin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra ity zandary adjudant-chef namoy ny ainy ity.

Nanamafy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa tsy handefitra manoloana ny fandatsahan’aina ny olony tahaka izao. Indrindra fa teo am-panatanterahana ny adidiny izy, na dia tsy nanao fanamiana aza.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.