Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Les photos du 15 Octobre 2020

Les photos du 15 Octobre 2020

Nankalazaina, omaly tany Antsohihy, ny andron’ny 14 oktobra. Nomarihina tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo eo amin’ny fasan’ny Filoham-pirenena voalohany teto Madagasikara, Philbert Tsiranana sady rain’ny Fahaleovantena izay notarihin’ny filoha Rajoelina Andry, tao amin’ny kaominina Anahidrano, distrikan’Antsohihy, faritra Sofia. Marika hita maso ho fankalazana ny faha-62 taona nijoroan’ny Repoblika Malagasy sy ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Hiasa manomboka izao ihany koa ny “central hybride photovoltaïque-thermique”, ao Antsohihy, fokontany Bekitrobaka Ambalabe Andrefana Antsohihy. Tsy nohadinoina ihany koa ny mpianatra, notolorana “ kits scolaire” ho an’ny sekoly ao amin’ny fari-piadidiam-pianarana Zap Anahidrano. Fitaovana feno, ahitana aron’akanjo, kitapo, kahie, trousse ary gourde. Nahazo ny anjarany ny eo anivon’ny polisim-pirenen, notokanana ny birao vaovaon’ny talem-paritra. Olona miisa 2 138 no nisitraka ny Vatsy tsinjo avy amin’ny fanjakana.

Les commentaires sont fermées.