Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampiasana internet: mivoatra haingana aty Afrika i Madagasikara

Fampiasana internet: mivoatra haingana aty Afrika i Madagasikara

 

Azo lazaina fa tratra aoriana ihany ny nidiran’ny internet eto Madagasikara, ny taona 1993. Singa iray handrefesena ny toekarena ny fampiasana izany, ankehitriny : isan-jaton’ny olona mampiasa azy, ny sehatra misy azy , ny tanjany …

Tratra aoriana ny nidiran’ny internet eto Madagasikara, tamin’ny taona 1993. Nanomboka ny taona 2008, tsapa fa haingana ny fampiasana izany ary teo vao hita nihabetsaka. Anisan’ny mivoatra haingana amin’ity sehatra iray ity i Madagasikara aty Afrika, haingam-piasa ihany koa, mahatratra 24,9 Mégabits/s, mitovy amin’ireo firenena sasany manan-karena. Manana teknolojia avo lenta izany i Madagasikara.

Ny Facebook izao no tambajotra serasera be mpampiasa indrindra eto Madagasikara, tsy andoavam-bola. Raikitra amin’ny androm-piainan’ny Malagasy ny Facebook, indrindra hatramin’ny nisian’ny tambajotra amina faritra maro . Manova zavatra betsaka izay eo amin’ny toekarena, noho ny fivoaran’ny teknolojia, ankehitriny, afaka manafaingana ny asa, arahi-maso, tahirizina, sns. Lafiny iray manampy ny fihariana, ohatra, mampihena ny fandaniana amin’ny fampiasana taratasy, ahafahan’ny sasany misoloky ihany koa. Toekarena tsy afa-misaraka amin’ny nomerika ao anatin’ny fanatontoloana.

Tombontsoa iray lehibe ny fahaizana mifehy ny internet, izay ady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo ny Artec* eto an-toerana mandrindra izany tontolo izany, manamafy ny fampiharana sy ny fiarovana azy amin’ny lafiny lalàna. Hatramin’ny taona 2014, manokatra  fandaharam-pianarana nomerika ny minisiteran’ny Fanabeazana, fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Tanjona ny hifehezan’ny ankizy sy ny tanora ny TIC (Technologie de l’information et de la communication). Tablettes 6000 nozaraina tamin’ny sekoly 123 hatramin’ny 2019 amin’ny faritra 22.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.