Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

TARATRY NY KANTO

Asa soratra : Vita boky ny tantaran-dRainandriamampandry

Iray amin’ireo vaovaon’ny kolontsaina lehibe indrindra hiseho amin’ity volana oktobra ity ny fivoahan’ny boky « Rainandriamampandry 1836 – 1896 », nosoratan-dRanjatohery Harilala, mpikambana mahefa ao amin’ny Akademia Malagasy. Nisy sokajiny telo ny asa natao: Fandinihana ireo tahirin-tsoratra tranainy (taratasim-panjakana, taratasim-pianakaviana…) kajina ao amin’ny Arsivam-pirenena. Teo ho eo amin’ny 4000 isa ireo taratasy nodinihina ireo. Taratasy efa mihoatra ny 100 taona avokoa. Famakiana sy fandalinana ireo lahatsoratra sy boky maro samihafa nahatratra 106 isa momba ny tantaran’i Madagasikara, ny teny aman-kolontsaina ary ny fomba amam-panao malagasy, nanovozan-kevitra momba ny tontolo sy ny fiarahamonina malagasy tamin’ny taonjato faha-XIX. Fanadihadiana natao tamin’ireo tarana-dRainandriamampandry.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.