Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Asa fanaovan-gazety: milaza hisintaka amin’ny fizarana karatra ny OJM

Asa fanaovan-gazety: milaza hisintaka amin’ny fizarana karatra ny OJM

“Tandindomin-doza ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety”, hoy ny fanambarana nalefan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara, na ny OJM. Haroson’izy ireo amin’izany ny heviny, mikasika indrindra ny fanomezana ny karatra mahamatihanina ny mpanao gazety. « Raha toa ka mbola nitory teny anivon’ny Filankevi-panjakana ny Holafitry ny OJM satria tsy nanaja ny didim-pitondrana laha 24-931, tamin’ny 4 novambra 2019 izay nosoniavin’ny minisitra ny fametrahana ny vaomiera iraisana mpanao karatra ny mpanao gazety matihanina dia nivoaka hanan-kery ny lalàna 2020-006 nanova ny andininy sasany tamin’ny lalana teo aloha ary dia nataon’ny MSK izay nanovana avy hatrany ny andinin-dalàna mahakasika ny OJM… », hoy ny teboka voalohany tamin’ilay fanambarana.
Nitondra valin-kafatra mazava kosa ny avy amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera,  omaly, ihany. « Somary mahagaga kely anay ihany ity fanambarana nataon’ny OJM ity. Nisy ny fametrahana ilay vaomiera iraisana hanome ny karatra, tsy nidiran’ny minisitera mihitsy fa ny tatitra no tonga taty, isaky ny faritra. Mbola nalefa ho fampahafantarana ho an’ny OJM izany. Ny teto Antananarivo kosa no tsy vita ka nandefa taratasy fampahatsiahivana indroa ho an’ny OJM ny MSK, saingy ny valinteny azo dia hoe mbola misy ny fitoriana mandeha. Tsy nisy rafitra natsangan’ny minisitera, koa inona izany no nitorian’ny OJM? Faharoa, tsara hitondrana fanazavana ihany koa ny mikasika ny hoe fanovana ny firafitry ny biraon’ny OJM. Tsy nitondra fanovana izay hevitra tapaka taorian’ny fakan-kevitra nasionaly niaraha-nanao tamin’ny OJM mihitsy ny MSK. Nandalo ireo Antenimiera roa tonta kosa anefa izany, ny Antenimierandoholona no nametraka fa tokony hanaraka ny fitsinjaram-pahefana ka hisy rafitra isam-paritra fa tsy isaky ny faritany toy ny teo aloha ny OJM. Lisitra tokana no hofidina, izany hoe hisy filoha lefitra isam-paritra. Ny mpanao lalàna no tompon’ny teny farany, nanaja izay tapaka fotsiny izahay”, hoy ny fanambarana nentin’ny talen’ny fandrindrana ny haino vaky jery, Rakotondrasoava Fetra, omaly.

Randria.

Les commentaires sont fermées.