Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raikitra ny fifampitifirana tao Soanindrariny: lavon’ny zandary ny iray tamin’ireo jiolahy mpandroba

Tsy mifidy ora anaovana asa ratsy intsony ny jiolahy. Jiolahy enin-dahy nirongo basy vita gasy iray sy zava-maranitra nanafika tokantranona mpivarotra ao Soanindrariny Antsirabe II. Tranga, niseho ny alin’ny zoma teo manodidina ny tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. Nampihorohoro ireo mpianakavy tompona tsena ireo jiolahy ka voaroba ny entana maro, toy ny vola mitentina 4 tapitrisa Ar, ny bisikleta miisa roa, ny finday, ny lamba maro samihafa ary ny kojakoja isan-karazany. Nahatsikaritra izany ireo mpiara-monina ka nampandre ny zandary teo an-toerana. Vokany, nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana teo am-pivoahana ny trano ireo olon-dratsy. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy, namaly izany koa ireo zandary ka jiolahy maty voatifitra ny jiolahy iray. « Tsy tompon-tanàna ireo jiolahy satria tsy nisy nahafantatra. Efa misy kosa ny “piste” mahakasika azy ireo », hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana.

Henintsoa Hani

 

Les commentaires sont fermées.