Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karatra Visa MVola: azo andoavam-bola amin’ny varotra internety

Karatra Visa MVola: azo andoavam-bola amin’ny varotra internety

Araka ny efa notaterina teto, efa misy ny karatra Visa MVola. Maro ny azo ampiasana azy, toy ny fisintonam-bola eny amin’ny Dab, fakam-bola aotomatika, ny fandoavam-bola amin’ny alalan’ny fitaovana TPE eny amin’ny tranombarotra, ka tsy mila intsony lelavola. Nambaran’ny tale jeneraly lefitry ny MVola ao amin’ny Telma, Andrianalisoa Heritiana, koa fa anisan’ny mampiavaka ity karatra Visa MVola ity ny fahafahana mividy zavatra amin’ny alalan’ny internety, eto an-toerana sy any ivelany. Notsipihiny fa mikasika ny fividianana any ivelany, aloa amin’ny sandam-bola Ariary ny entana fa ny Visa, izay karatra iraisam-pirenena, no mamadika azy mifanandrify amin’ny sandany amin’ny vola vahiny. Nomarihiny fa tsy azo andraisana sy itahirizana vola vahiny ny kaonty MVola fa mbola vola malagasy Ariary ihany.

Azo isintonam-bola amin’ny karatra Visa MVola avokoa eny amin’ny Dab, azo ampiasana ny karatra Visa rehetra eto Madagasikara. Kely kokoa anefa ny sarany raha misintom-bola eny amin’ny BNI, miara-miasa amin’ny Telma, miohatra amin’ny banky hafa, satria misy ny sarany hafa fanampiny.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.