Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Basikety-NBA: Samy mampiseho ny heriny hahazoana ny amboara amin’ny fifaninanana NBA, taranja basikety, ny Los Angeles Lakers sy ny The Heat Miami, ao anatin’ny lalao famaranana. Omaly alina, ny nanaovana ny “game 1 ” teo amin’ny roa Tonta, saingy tsy mbola voaray tamin’ny fiafaran’ny ora nanoratana ny valin-dalao. Marihina, lalao miisa enina ny hifandonan’ireto ekipa roa ireto ary miankina amin’izay valin-dalao amin’ireo ny hamaritana izay ho tompondakan’ity fifaninanana ity.

Fiofanana ho an’ny mpitantana ara-panatanjahantena: Taoriana an’Antananarivo, anjaran’i Boeny indray ny hisitraka ilay “Cours des dirigeants sportifs”, karakarain’ny Komity Olympika sy ny “solidarité olympique”. Raha ny vaovao voaray, tsy mbola fantatra ny fanombohan’ny fiofanana, saingy efa any an-toerana ireo tompon’andraikitra sy ny mpampiofana vonona hizara ny traikefa. Tsiahivina, ity no fiofanana faharoa ho an’ny mpitantana ara-panatanjahantena ho an’ny taom-pikatrohana 2020.

 

Nangonon’i Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.