Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Voavaha ny olana amin’ny fanomanan-tena: hidona amin’ny Kintana maintin’i Ghana ny Barea

Voavaha ny olana amin’ny fanomanan-tena: hidona amin’ny Kintana maintin’i Ghana ny Barea

 

Lalao ara-pirahalahiana indroa miantoana. Hanao lalao fanomanan-tena amin’ny ekipam-pirenen’i Ghana indray izany izao ny Barea fa tsy hifandona amin’i Borkina Faso, araka ny voalaza.

Nivaha ny olana sy ahiahy na koa ny adihevitra be tetsy sy teroa. Niditra an-tsehatra nanelanelana sy nanampy amin’ny hiatrehan’ny Barea fanomanan-tena ny filoha Rajoelina Andry. Tsy misy aloha ny fiovana fa hanomboka ny 5 ka hatramin’ny 9 oktobra izao ny fampivondronana ireo mpilalaon’ny Barea rehetra voantso. Hotantetahina any Luxembourg izany ary hofaranana amin’ny fihaonan’ny ekipam-pirenentsika amin’ny diviziona voalohany, Swift Hesperange ao an-toerana ihany.

Handeha mivantana amin’ny TVM ny lalao

Mihazo ny any Torkia avy eo manohy ny fanazaran-tena ary hikatroka am-pirahalahiana amin’ny Kintana maintin’i Ghana, ny 12 oktobra. Harahina mivantana amin’ny TVM izany lalao izany.

Etsy andaniny, hiantoka ny lany rehetra amin’izany ny eo anivon’ny orinasa Telma ary mbola hisalotra ny akanjo marika “Garman” ny mpilalaon’ny Barea amin’izany.

Midika izany fa tsy handeha any Maraoka ary hanao lalao ara-pirahalahiana amin’ny Etalons-an’i Borkina Faso ny Barea.

Fahafito aty Afrika (Caf) i Ghana

Voalaza fa mavesatra ary tsy zaka ny mety ho fandaniana satria mitentina hatrany amin’ny 100 000 euros ny ho enti-manana izany.

Tsiahivina fa faha-46 maneran-tany ny toeran’ny Kintana maintin’i Ghana raha ny filaharana navoakan’ny Federasion’ny baolina kitra maneran-tany (Fifa) farany, ary eo amin’ny fahafito kosa ny filaharany ho an’ny aty amin’ny kaontinantaben’i Afrika, eo anivon’ny Caf.

Synèse R. sy Tompondaka

Les commentaires sont fermées.