Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Ligin’Analamanga: tsy maintsy atao amin’ny volana oktobra ny fifidianana

Lomano-Ligin’Analamanga: tsy maintsy atao amin’ny volana oktobra ny fifidianana

Nanambara ny filoha am-perinasa, ny ligin’Analamanga,taranja lomano, Andriamanajatoarimanana Tojohanitra fa tsy maintsy tanterahina ny volana oktobra ho avy ity, ny fifidianana eo anivon’ny Ligin’Analamanga, taranja lomano. Fifidianana izay efa saika hatao ny volana aogositra teo, saingy tsy tontosa noho ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena. Ankehitriny, efa eo am-pikarakarana ireo klioba misy eto Analamanga ka mampiditra azy amin’ny ara-dalana amin’izao ny mpitantana am-perinasa. Aorian’izay, hotohizana eny anivon’ny seksiona izany ka hiditra amin’ny fifidianana, ny volana oktobra izao,raha ny fanazavana. Tsiahivina, misy 10 ny klioba eto Analamanga, ahitana ny klioban’ny Cosfa, ny Managing, ny Saint Michel, ny Le car, ny Dobarano, ny 3fans, ny Amar, ny Lycée française, ny Cosbani ary ny Esca.

Mahakasika ity fifidianana ity hatrany, tsy mbola niova hevitra Andriamanjatoarimanana Tojohanitra,raha nanontaniana. Tsy hirotsaka hofidina intsony izy. “Aleo ho an’ny olon-kafa ny toerana, tsy isan’ny hofidina intsony aho”, raha ny nohamafisin’ity filoha am-perinasa eo amin’ny Ligin’Analamanga, taranja lomano, ity.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.