Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sarimihetsika : hamoaka ny “Tsiafajavona” ny Otline movies

Sarimihetsika : hamoaka ny “Tsiafajavona” ny Otline movies

Hivoaka manerana ny Nosy ny « Tsiafajavona », ny 6 oktobra 2020 ho avy izao. Horonantsarimihetsika malagasy novokarin’ny Outline movies, tao aorian’ny “Be sy Lipo”. Tantara natao ho an’ny rehetra izy ity, mifono anatra sy lesona ary ny trangam-piarahamonina amin’ny endriny samihafa, ao anatin’izany ny mampitebiteby sy ny mahatsikaiky isan-karazany. Anisan’ireo mpandray anjara ao anatin’ilay sarimihetsika « Tsiafajavona » Rajaofera Nomenjanahary Tsiry. Mitondra ny anarana Tanjona izy ao anatin’ity tantara ity.

11 taona nilalaovana sarimihetsika ny tovolahy. Fantatra tamin’ny anarana Fenokely tao anatin’ny « Malok’ila ». Io rahateo ny sarimihetsika nandraisany anjara voalohany. Azo lazaina ho lehibe tao mihitsy ny tovolahy satria nitohy tamin’ny « Safelika », i Lol ary ny « Kibay » i Tsiry ka anisan’ny mpilalao fototra hatrany izy. « Ny fahitako ny tontolon’ny horonantsary ankehitriny, miroborobo, satria tena maro ireo trano mpamokatra. Mila ho isam-bolana, misy zava-baovao hatrany. Kanefa raha te hahavita zavatra tsara, tokony tsy ho maika loatra amin’ny famoahana azy satria manjary lasa kitoatoa ny zavatra atao”, araka ny nambarany.

Narilala

 

Les commentaires sont fermées.