Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila miara-mandroso amin’izay… 

Mila miara-mandroso amin’izay… 

  Tena misy marina ve ny fiovana sy ny fanovana? Na tena atao, ezahina, irosoana… Anisan’izany, ohatra, ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna, ny fitondrana tsara tantana… Miara-mahita sy miaina ny zava-misy amin’izao ny rehetra. Na ahoana na ahoana, tanàna tsy ilaozan’adala?

Mbola misy ihany ny tsimatimanota sy mirehareha ary sahy mihantsy ady vahoaka amin’ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanamparam-pahefana, ny fanaovana asa ratsy… Any amin’ny faritra heverina ho lavitra fanjakana no tena miseholany izany. Poa-maso manjaka tokana amin’ny tanin’ny jamba?

Na misy ny tsikombakomba ratsy amin’ny kolikoly sy ny fahazoana tambondahiny amin’izay atao; na tsy afa-manoatra firy, ohatra, ny manampahefana any ifotony noho ny antony samihafa. Mahitahita ireo olon-dratsy? Na matoky olom-pantatra, na akaiky olona amin’ny fanjakana…

Tsy fantatra izay mety ho fitarainan’ny vahoaka any ifotony amin’izany. Izy ireo indray aza no voarahona, ampahoriana, tratran’ny valifaty… Anisan’ny mahabe fitarainana amin’izany, ohatra, ny sehatry ny ady tany, ny tontolo iainana inian’ny sasany potehina, ny raharaham-pitsarana…

Miandry ny fanjakana foibe ve izany rehetra izany vao misy vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… ? Mitaky fitsinjaram-pahefana tena izy eo amin’ny vola, ny fitaovana, ny olona… Indraindray, ny olom-boafidy na ny olom-boatendry koa no manao ny ataony, manaratsy endrika ny fitondrana.

Mila henoina ny feon’ny vahoaka, fantarina ny hetahetany, atao izay mety ho fampandraisana anjara azy amin’ny raharaham-pirenena miainga any ifotony araka izay vitany… Raha tsy izany, mbola resaka sy fanamby ihany ny hoe tany sy fanjakana tan-dalàna ary ny fitondrana tsara tantana.

Mila mipaka any ifotony ny hoe fampandrosoana iaraha-manana, iaraha-manao, iaraha-misitraka. Izay raha te ho lasa lavitra. Tsy maika tsy faingana, na ny sehatra sy ny faritra vitsivitsy ihany no misitraka izay atao. Tsy efa tokony hisy fiovana sy fanovana ve izany amin’izao?

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.