Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard

Kalon’ny fahiny: nodimandry i Girard

Razedra ihany koa no nahafantaran’ny olona maro azy! Fantatra, omaly, fa nodimandry Razafindrafahatra René Girard, ministre plenipotentiaire, nandalim-pahaizana manokana momba ny arifenitra. Fa ankoatra izay, beso nikoizana tao amin’ny Ataum sy ny Solika ary R’imbosa izy. Anisan’ireo hira nahenoana ny feony ny « Tsy mba misy tsy ho diso”, ny “Vonimboahirana”, ny “Dobla sento”… Santionan’ny hira nasian-dRazedra ny “soniany”. “Poizina!”, hoy i Dadatoa Ar-well sy Rasamy Gitara raha vao nahare ny fidoboky ny beson-dRazedra tao amin’ny Ataum, 50 taona lasa izay, ry zareo », hoy i Mbosa mitantara. Nohamafisiny fa « vitsy tokoa ny manana lokom-peo tahaka ny an’i Girard, mahatakatra feo iva dia iva sady midoboka ». Notohizany tamin’ny: « Razedra, tsy hohadinoina fa voarakitra tsy amin’onjam-peo ihany fa indrindra ao am-po ny feo sy ny hatsaram-panahy ary ny fandalinan’ialahy ny kolontsaina sy ny gadona bagasy ». Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.