Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanatsarana ny tanàna: raikitra ny fanadiovan’ny CUA ny tatatra etsy Mahavoky

Fanatsarana ny tanàna: raikitra ny fanadiovan’ny CUA ny tatatra etsy Mahavoky

Tsy ankiandriandry. Nanomboka, omaly avy hatrany, ny fanadiovana ireo tatatra teny Mahavoky Besarety sy ny manodidina. Haharitra 45 andro izany asa izany ary tafiditra amin’ny  fitsinjovana ireo mponina eny amin’iny toerana iny. Mitohy hatrany ny asa eto amin’ny CUA anampiana ny vahoaka.

Etsy andaniny, niarahaba sy nirary soa ho an’ireo polisy monisipaly amin’izao faha-20 taony izao ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna. « Zava-dehibe amintsika ny famerenana ny hasin’ny polisy monisipaly. Fa mbola zava-dehibe amiko ny mahita anareo mifankatia sy miray hina ary miara-mientana, mifanohana amin’ny andraikitra sy ny adidy masina sahaninareo ho an’ny tanànantsika », hoy izy, tamin’ny fanangan-tsaina. Nanteriny fa mba ho reharehan’ny mponina sy fitaratry ny kaominina ary ho maodely amin’ny tanàna hafa eto amin’ny firenena ny polisy monisipalin’Antananarivo. Natsidiny sahady fa mitohy ny asa eo anivon’ny CUA ka anisan’izany ny fanombohan’ny fivorian’ny filankevitry ny kaominina, handinika ny tetibola.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.