Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-NBA: tafakatra famaranana ny ekipan’ny Lakers

 

Mazava ny lalana ho an’ny ekipan’ny Lakers, anatin’ny fifaninanana NBA, taranja basikety. Taorian’ny fifandonana indimy, nanoloana ny ekipan’ny Nuggets, fandresena efatra ny azon’ny ekipan’i James Lebron. Araka izany, efa tafakatra famaranana ny ekipan’ny Lakers ary miandry izay tafavoaka avy amin’ny kaonferana atsinanana sisa izy ireo. Raha hiverenana ny lalao efa vita, azo lazaina ho tena niady avokoa ny fihaonana teo amin’ny Lakers sy ny Nuggets. Nahavita dingana goavana ity ekipan’i Jamal Murray ity, na fandresena iray ihany ary ny azony nanoloana an’ny Lakers. Saika isa tery dia tery hatrany mantsy ny nisarahan’ny roa tonta tao anatin’izay lalao dimy vita izay. Ho an’ny Lakers kosa, manam-panantenana tanteraka izy ireo handrombaka ny fandresena amin’ny lalao famaranana, na eo aza ny tsy fahasalamana mahazo ny mpilalao sasany, toa an’i Anthony Davis.

Etsy ankilany, samy miady mafy ihany koa ny ekipan’ny The Heat sy ny Celtics, ao amin’ny kaonferansa atsinanana, hahazoana ny tapakila hiatrehana ny lalao famaranana, hifandonana amin’ny Lakers.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.