Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria 67, afakomaly ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery eny 67 ha sy ny manodidina. Niainga avy amin’ny fitarainana nataon’ny lehilahy iray lasibatry ny fanendahana no nahafahan’ny polisy nanao ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika teny an-toerana. Nendahin’ilay jiolahy tao anaty fiara ny telefaonina avolenta niaraka tamin’ny vola. Nitsoaka avy hatrany ka nanenjika ity jiolahy ity ny polisy. Niaiky ny heloka vitany izy ka naiditra am-ponja vonjimaika. Mitohy ny fanaraha-maso ataon’ny polisy satria isan’ireo faritra malaza ratsy amin’ny fanendahana sy ny sinto-mahery iny faritra 67 ha iny.

 

Les commentaires sont fermées.