Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

“Show case”: ho ao amin’ny Code 110 i Big Jim Da

“Show case”: ho ao amin’ny Code 110 i Big Jim Da

Mikarakara  seho miavaka ny  « Cod Wear », izay iarahana amin’i  Big Jim Da, ny asabotsy 26 septambra, amin’ny 8 ora sy 20mn hariva,  ny ao amin’ny Code 110 KaraokeBar na Hotel Gasy Tanamasoandro-Vatofotsy, Antsirabe.  Mpihira manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy, indrindra ny sehatry ny Hip Hop ny lehilahy.  Anisan’ny zokibe eo amin’ny tontolon’ny rap malagasy i Big Jim Da, ary nanamarika ny fahazazan’ny tanora ankehitriny, raha tsy hilaza afa-tsy ny hira “Sedra”,  ny « Jaolahy mpiarakandro”, ny « Sentiment anabo poah », ny « Menimeny » sns… Hovelomina amin’io andron’ny fampisehoana io avokoa ireo hira ireo, miampy ny hira vaovao tsy ampoizina. Marihina fa noho ny hamehana ara-pahasalamana vokatry ny covid-19 dia noferana ho olona 100 ihany no afaka manatrika izany hetsika izany, araka ny toromarika ary manaja ny fepetra ara-pahasalamana.

Narilala

Les commentaires sont fermées.