Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

  Mila fitandremana: be loatra ny tantara mampiahiahy

   Mila fitandremana: be loatra ny tantara mampiahiahy

 

Amin’ny ankapobeny, saika ireo vahiny no nanoratra sy nahasoratra ny tantaran’i Madagasikara sy ny zava-nitranga teto fahiny. Tsy misy hamaivanina ireny, satria, mila manana fototra mazava ny firenena sy ny mponina ao aminy. Amin’izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao anefa, mitobaka etsy sy eroa ireny asa soratra ireny. Ny fitaovana ahafahana manapariaka izany rahateo efa maro, anisany ny facebook izay. Ho an’ny mpikaroka, “be loatra ny mampiahiahy amin’ireny voalaza ao anatin’ny facebook ireny, raha ny momba ny tantara nisy teto Madagasikara”. Tsy eo amin’ny tantaram-pirenena ihany fa tafiditra ao anatin’io na ny lafiny kolontsaina, ny toekarena, sns, raha ny fanazavan’ireto mpikaroka ireto.

Na izany aza, anisan’ny mampanan-karena ny voka-pikarohana ny hamaroany. Maro ny azo sintonina sy halalinina. Ho an’ny avara-pianarana izay fa ho an’ny olona tsotra mamaky ny avoaka any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny, inona no mety ho vokany? “Tsy ho afaka ny hanakana ny fisiana sy ny fampiasana azy ireny isika fa ny azo atao, tezaina amin’ny fomba fampiasana ireny tenolojia ireny ny Malagasy. Atoro ny tsirairay ny hahafahany manovo soa avy amin’ireny”, hoy ny mpahay momba ny fiarahamonina. Iza anefa no ampianatra sy hampita izay fahalalana izay?

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.