Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karate – Antananarivo: efa miomana amin’ny fifidianana 

 

Efa eo am-piomanana tanteraka amin’ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny seksiona ankehitriny, ny eto Antananarivo Renivohitra taranja Karate. Tapitra amin’ity taona ity mantsy ny fe-potoana hitondran’ny mpitantana am-perinasa ka tsy maintsy miroso amin’ny fifidianana, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga Karate, Rakotomalala Jean Paul. Araka izany, mitaona ireo klioba rehetra eto Antananarivo Renivohitra ny federasiona, hanontany izay tokony ho fantatra mahakasika ny “certificat de conformité”. Voakasika izany avokoa na ireo efa mijoro ara-dalana na tsia, raha ny fanazavana hatrany. Eny amin’ny Delegen’ny tanora sy fanatanjahantena Antananarivo Renivohitra etsy Ambohidahy ny hahafahana mahazo fanampim-panazavana mahakasika izay.

Raha ny tokony ho izy, ny volana aogositra ny fotoana efa napetraka hanaovana ity fifidianana ity, saingy tsy tontosa izany noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Araka ny loharanom-baovao, maro ny hirotsaka amin’ity indray mitoraka ity, mbola tsy fantatra kosa raha mbola ho isan’ny ho kandida ny filoha am-perinasa na tsia.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.