Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hetsika fisavana fiara laharana “WW”: 1121 nandalo fisavana, 691 tsy nanao fandraisana ara-teknika

Hetsika fisavana fiara laharana “WW”: 1121 nandalo fisavana, 691 tsy nanao fandraisana ara-teknika

Tao anatin’ny andro dimy andro monja (21 ka hatramin’ny 25 septambra 2020) nandritra ny hetsika fisavana laharana WW sy laharana vahiny izay notanterahin’ny teo anivon’ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) sy ny polisim-pirenena ary ny zandarimariam-pirenena manerana an’i Madagasikara, miisa 4 587 ny isan’ireo fiara nosavaina teto Antananarivo.

Nandritra io fe-potoana io, miisa 1 121 ireo fiara manana laharana WW nandalo fisavana ka ny 691 amin’ireo ihany no nanana ny fandraisana ara-teknika na “reception technique” raha 430 kosa ireo tsy nanana izany. Ho an’ireo fiara manana laharana vahiny kosa, miisa 985 ireo nandalo fisavana  ka 755 ihany no nanana ny “reception technique” ary 230 kosa no tsy nanana izany. Ho an’ny fiara manana laharana malagasy, 2 481 ny isan’ny voasava ka ny 543 no nahitana olana ary ny lany visite teknika kosa miisa 107. Sivily sy miaramila ary polisy miisa 51 no nandray anjara tamin’ity hetsika manokana momba ity laharana WW sy laharana vahiny ity ka ny 12 polisim-pirenena, 13 ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena, 10 sivily ary manamboninahitra miisa dimy sy tale roa. Notontaisana omaly teny amin’ny DGSR ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy izany atrikasa izany, izay natrehin’ny talen’ny DGSR, ny DirCab-n’ny zandarimariam-pirenea ny tale jeneralin’ny polisim-pirenan (DGPN) ary ireo manamboninahitra isan-tsokajiny. Notolorana mari-pankasitrahana ny DGPN tamin’ny fanomezana ny olombelona nampiseho fahamendrehana sy traikefa teo amin’ny asa nataon’izy ireo. Notolorana mari-pankasitrahana kosa ireo polisy, zandary ary sivily nanatanteraka ny asa. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ireo fiara tsy manara-dalàna sy minia tsy manatanteraka ny voasoratra ao amin’ny lalàna satria ny hamerenana ny ara-dalàna eto amin’ny firenena no tena tanjona, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny DGSR.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.