Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisolokiana avo lenta: karohin’ny BC Rakotoseheno Olivier

Fisolokiana avo lenta: karohin’ny BC Rakotoseheno Olivier

Lasa mirongatra mihitsy ny mpisoloky tato ho ato! Vao haingana no nisy lehilahy iray namoahan’ny polisy didy fikarohana noho ny fisolokiana avolenta natao. Namoaka filazana didy fikarohana momba ity lehilahy iray hita amin’ny sary ity koa ny polisy misahana ny hekoka bevava sakelika faharoa (BC2) Anosy. Miangavy amin’ireo olona mahalala sy/na mahita ity lehilahy ity ny polisy mba hampandre azy ireo na hiantso ny laharana telefaonina finday 034.05.517.26. Toy izao ny mombamomba azy: Rakotoseheno Olivier, teraka tamin’ny 7 febroary 1972 tao Ambohidratrimo (48 taona), manana kara-panondro laharana 103 091 000 460 nomena ny 23 Septambra 1991 tao Ambohidratrimo. Toeram-ponenana nahitana azy farany tao Ankaraobato Antananarivo sy tao Morarano Amborovy Mahajanga. Antony hikarohana azy : Fanaovana asa ratsy, fisolokiana vola. Nanamafy ny polisim-pirenena fa manome toky fa tazonina ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Na izany aza, mampahafantatra ny rehetra izy ireo fa izay mampiantrano na mitahiry na manafina olon-dratsy, indrindra raha olona efa namoahana didy fikarohana toy izao dia naman’ny mpiray tsikombakomba aminy ka tsy maintsy hohenjehina araka ny lalàna.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.