Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha

Toby Makis Andohatapenaka: fitantanana amin’ny informatika ny mpandeha

Natao sonia, omaly, teny amin’ny toby fiantsonana Makis Andohatapenaka, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny mpiara-miombon’antoka maromaro. Nanatanteraka izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny fizahantany, ny sampandraharaha iraisam-pirenena Pnud sy ny Ocha ary ny Vovonana mikasika ny maha olona iarahan’ny sehatra tsy miankina (PHSP). Nanolotra fitaovana informatika ny PHSP, ahitana ordinatera maromaro miampy ny kojakoja miaraka aminy, entina hitantanana sy hanarahana ny mikasika ny mpandeha, indrindra amin’izao tranga Covid-19 izao.

Mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika ny Pnud-Ocha, ho endriky ny fanohanany ny sehatra tsy miankina. Nilaza ny solontenan’ny PHSP fa santatra hatao filamatra ny eny amin’ny toby Andohatapenaka, tanjona ny hanatanterahana toy izao manerana ny toby fiantsonan’ny fitaterana zotram-paritra sy nasionaly manerana ny Nosy. Ho an’ny minisiteran’ny Fitaterana, fivoarana lehibe mankany amin’ny fandrosoana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fitantanana ara-informatika ny mombamomba ny mpandeha.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.