Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nandritra ny fihibohana: 97 ny fangatahana fahazoana mandevina eny Anjanahary

Tao anatin’ny fihibohana, nametrahana ny fepetra tsy fahazoan’ny olona mitondra razana mivoaka ny faritra Analamanga, nahatratra 84 ny olona nanao fangatahana manokana handevina teny amin’ny fasam-bahiny Anjanahary, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny BMH,  omaly. Fianakaviana 13 hafa nanana havana matin’ny Coronavirus koa no nandevina teny noho ny hamehana ara-pahasalamana. Manana safidy ho an’ny olona tsy matin’ny Covid-19 na haka ny razana amin’ny fotoana aty aoriana na koa hamela azy ao mandrakizay. Nampivory ny tompon’ny fasana eny Anjanahary ny mpiandraikitra ny kaominina hamantarana azy ireo satria 40%-n’ny fasana, tsy fantatra ny tompony. Antony ny fampahafantarana ny fifanomezan-tanana amin’ny fanadiovana ny fasana sy ny manodidina, izay andraikitry ny tompon’ny fasana. Eo koa ny fanaraha-maso ny hetra tokony haloany. Tapaka tamin’ny filankevitry ny Tanàna, ny taona 2016 fa mila havaozina ny taratasy raha efa mihoatra ny 30 taona ary eo no manapaka ny sokajin-ketra mifanaraka aminy ilay tompom-pasana. Efa isan-taona no efaina ny hetra manomboka amin’ny 60 000Ar ka hatramin’ny 300 000 Ar.

Vonjy            

Les commentaires sont fermées.