Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana

Lomano-MNS Valisoa: olona 6 hampianariny maimaim-poana

 

Raiki-tampisaka ao amin-dRasoanjanahary Valisoaniaina ny fitiavana milomano ka tiany hampitaina amin’ny mpiara-belona aminy. Araka izany, hanomboka hisokatra amin’ny volana oktobra izao ny fampianarany ny taranja lomano. Hisy ny fisarihana ataony ka olona enina hahazo ny fampianarana maimaim-poana, fisarihana hatao ny faran’ny volana izao. Raha ny fantatra, efa 30 taona izao ny niangalian’ity Maitre Nageur Sauveteur (MNS) ity ny taranja lomano ary lehibe tao amin’ny klioban’ny Cosbani izy. Nambaran’i Valisoa fa nankatoavin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny Akademia Nasionaly ny Spaoro, ny maha Maitre Nageur azy.

Marihina fa misokatra ho an’ny rehetra ny fampianarana. Fitaovana manaraka ny fivoarana sy ny fenitra iraisam-pirenena ny hampiasaina ary harahi-maso tsara avokoa ireo rehetra mianatra lomano, raha ny fanazavana hatrany. “Tiako ny lomano ary niainako nandritra ny taona maro fa tiako lavitra ny mizara izany fahaizako izany amin’ny hafa”, hoy ny Nambaran-dRasoanjanahary Valisoaniaina.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.