Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema

Karibotel 26 Analakely: hanafana ny “After Work” ny tarika Ejema

Mikarakara  “After Work”, amin’ity, anio, zoma 25 septambra, manomboka amin’ny 7 ora hariva  ny Karibotel Twenty Six Analakely. Hanome hafanana amin’izany ny tarika Ejema,izay tsy zovina amin’ny maro intsony, anisan’ny andrarezin’ny kanto malagasy tsy lefin’ny vanimpotoana. Hovetsoina ao daholo ireo hira anisan’ny nanamarika ny tarika sy ny tena nahafantarana azy rehetra, toy ny “Djarina banou”, ny “Manahiragna”,  ny “Aza ela any”, indrindra  ilay hira vao vita rindrantsary “Zaza Gasy”… Hisy tsy ampoizina samihafa hanomezana fahafahampo ny mpanatrika amin’io “After Work” io, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Hisy sakafo sy tsakitsaky isan-karany amin’izany, matihanina rahateo amin’ny fahandroana sakafo malagasy sy ny fikarakarana lanonana ny  Karibotel-Twenty Six Restaurant Bar Lounge eo anoloan’ny hotel de ville Analakely. Efa manomboka miverina tsikelikely ny karazana hetsika isan-karazany, indrindra ny faran’ny herinandro, na dia eo aza ny hamehana ara-pahasalamana.

Narilala

Les commentaires sont fermées.