Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana

Fonjamby-Fiofanana: anio sy rahampitso ny fanadinana

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, taranja fibatana fonjamby, tanterahina etsy amin’ny kianja mitafo Ankorondrano. Mialoha ny hanomezana Mari-pankasitrahana ireo mpiofana, hiatrika fanadinana izy ireo anio sy rahampitso. Adina an-tsoratra sy fampiharana moa no hataon’izy ireo amin’izany. Tsiahivina, 10 andro ny faharetan’ity fiofanana ity ary efa nanomboka ny herinandro lasa teo izany. Mpampiofana manana ny maha izy ny mizara traikefa, manam-pahaizana iraisam-pirenena malagasy, hahitana an’ i Harimalala Solomampionona Rakotoarisena. Miisa 20 mianadahy ny miofana ary avy amin’ny ligy 6, Analamanga, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Itasy, Boeny ary Vakinankaratra. Nambaran’ny mpampiofana fa nisy fitohizana satria ireo niatrika ny “niveau 1” ihany ireto manaraka ny fampianarana ho an’ny “niveau 2” ireto. Izany hoe, efa manomboka miditra lalindalina kokoa amin’ny “planification”, “périodisation”, “anatomie”ary ny “blessure”. Antenaina, araka izany fa hitondra fivoarana eo amin’ireto mpiofana ireto, raha ny nambaran’ny mpampiofana hatrany. Azo lazaina ho fohy rahateo ny fotoana kanefa mbola maro ny tiana hampitaina ka inoana fa any amin’ny fampiharana no hanatevina ny fahalalany ny mpiofana.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.