Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo

Fanadiovana tatatra: fokontany 10 anaovana asa Himo

Nifarimbona nanadio tatatra ireo RF2 avy amin’ny fokontany maro, nanomboka omaly. Nanala ny fako mitoby anaty lakandrano manentsina ny fikorianan’ny rano izy ireo hitsinjovana sahady ny fahavaratra.  Mahazo tombony amin’izao ireo fokontany folo eto Antananarivo, Ankasina, Andavamamba, AnjezikaI, Tetezana Afovoany I, 67Ha Atsimo, Antohomadinika, Andavamamba Ambilanibe, Anosibe, Ivolaniray, Manajary ary Ambohidahy. Amin’ny alalan’ny Himo, andiany faharoa no hanatanterahana izany. Olona 20 isaky ny fokontany no mahazo asa amin’ny alalan’ity fanadiovana tatatra ity. Mahazo 5000 Ar isan’andro avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo amin’ny fanatanterahana izany asa izany. Nisy ihany koa ny fizarana arovava sy savony ho an’ireo RF2 ireo. Mila fanaraha-maso akaiky ny tandrevaka ataon’ny mponina eny amin’ireo toerana andalovan’ny lakandrano. Misy ireo manary fako sy poti-kanina any an-tatatra ka manentsina ny fikorianan’ny rano ary miteraka fiakaran’ny rano mihitsy rehefa fotoam-pahavaratra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.