Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famorehana… ifotony           

Famorehana… ifotony           

Adihevitra politika tato ho ato ny amin’ny tokony hanafoanana ny andrimpanjakana itsy na iroa. Anisan’izany, ohatra, ny Antenimierandoholona: mandany volam-bahoaka, raha ny fijerin’ny sasany; tsy hita izay tena ilàna azy. Talohaloha tany, efa nandeha izay resaka izay: tsy tanteraka. Fampihenana ny isan’izy ireo no hirosoana amin’izao fifidianana loholona hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao.

Eo koa ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Ho an’ny sasany, ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany ihany no mpikarakara fifidianana. Toy  ny any amin’ireo firenen-dehibe, nampirisika ny fananganana izany rafitra manokana izany. Nahoana? Azo tsabahina, omena vola, bakoina, arahi-maso… Politika? Tsy fahatokisana fanjakana amin’ny fifidianana no antony.

Fitakiana efa mpiseho lany hatramin’ny ela koa ny tokony hanafoanana ny Fitsarana avo (HCJ) mitsara mpitondra ambony. Misy olona avahina eo anatrehan’ny lalàna iombonana: fitsarana manokana no mitsara azy… amin’ny fanasarotana ny fanenjehana. Any amin’ny firenen-dehibe, ho an’ny fatra-mpaka tahaka: fitsarana tsotra toy ny an’ny besinimaro na ny vahoaka no mitsara ny mpitondra na iza na iza.

Misy miresaka koa izao ny amin’ny tokony hanafoanana ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM): tsy hita sy tsy mazava izay tena ataony sy vitany amin’ny fampihavanana, raha ny fijerin’ny sasany; fanomezan-toerana sy fandaniam-bola fotsiny, hono. Inona koa? Maro ireo karazan-drafitra mitovitovy ihany ary tsy hita be ihany izay tena ataony sy vitany, araka ny fijerin’ny sasany ihany.

Maro no mety ho anton’izany rehetra izany. Tsy mahavita ny asany, ohatra, ny rafitra efa misy, hany ka amoronana hafa? Na noho ny tsy fifampitokisana eo amin’ny sehatra samihafa: fitsarana, fifidianana, fiahiana sosialy, fitandroana zon’olombelona… Tsy mila dinihina amin’izay ny hoe fanorenana ifotony? Tsy handehanana amin’ny famorehana ifotony amin’ny fandravana efa isaky ny mihetsika.

Rafaly Nd.

Les commentaires sont fermées.