Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Craam – Madagaslam: hiverina ny hetsika slam eny amin’ny Oniversite

Manomboka miverina tsikelikely ny hetsika ara-javakanto na mbola eo aza ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara. Hotanterahina etsy amin’ny Craam oniversiten’Antananarivo ny hetsika  «  Slam à l’U »,   handraisan’ny rehetra anjara. Hetsika anisan’ny fiaraha-miasan’ny fikambanana Madagaslam  sy ny Craam ity atao, anio, 25 septambra 2020, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ity. Seho ara-kolontsaina efa fanao teo aloha, saingy noho ny hamehana dia nisy fiatoana izany ka izao manomboka miverina izao indray.   Araka ny nambaran’ny mpikarakara dia tsy maintsy arahin’ny rehetra ny fitsipika ara-pahasalamana «  geste barrières » ho an’ny mpanatrika mba hisorohana ny fihanaky ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara.

Narilala

Les commentaires sont fermées.