Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Cisco Ambovombe – BEPC: « Tsy marina ny valopy misy laza adina efa nisokatra »

Nandiso ny vaovao niely ary nanamafy ny nambaran’ny eo anivon’ny minisitera ireo any ifotony. « Tsy nisy velively ny valopy misy laza adina efa misokatra, mialoha ny fanadinana BEPC. Nisy kosa anefa ny hosoka nataon’ny mpiadina iray », hoy ny sefo Cisco any Ambovombe Androy, Rabesalimanana Nicolas, omaly. Nanamafy izany ny lehiben’ny foibem-panadinana any an-toerana, i Tolojanahary Davidson. Nambarany fa nisokatra kely, tsy antonona rantsan-tanana iray ilay valopy misy ny laza adina tantara sy jeografia. « Niaraha-nanapaka sy nifanotronan’ny tompon’andrakitra teo fa hosokafana tanteraka izany ahitana ny marina. Ampy, tsy nisy nanombinana ny tao anatiny. Mety tsy voahidy tsara na nisy ampahan’ny valopy tsy nisy lakaoly », hoy izy. Nifanindry tamin’izany koa anefa ny hosoka « fraude » nataon’ny mpiadina iray, nitondra telefaonina an-tsokosoko ary nanafina izany, niatrika ny fanadinana. Sarona izy io fa nifandefa « message » amin’ny olona any ivelany manontany ny valin’ny fanontaniana amin’ny laza adina. « Efa noraisina ny fepetra momba izany », hoy izy.

Tsiahivina fa nanamafy ny tsy maha marina io vaovao io ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Synèse R. 

Les commentaires sont fermées.