Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

227 ireo matin’ny valanaretina: niampy iray ireo lavon’ny covid-19

227 ireo matin’ny valanaretina: niampy iray ireo lavon’ny covid-19

Miisa 24 ireo tranga tamin’ny fitiliana miisa 284 natao. Avy eto Analamanga sy Alaotra Mangoro ny dimy amin’izany. Valo ny any Diana raha roa kosa ny any Menabe. Iray avy kosa ireo nifindran’ny valanaretina any Itasy, Anosy, Matsiatra Ambony ary Sava.

Niampy iray ny matin’ny coronavirus ka avy any Matsiatra Ambony izy io. Tafakatra 227 izany izao ireo nodimandry noho ny covid-19 eto amintsika.

Etsy an-daniny, nihena dimy ka miisa 15 ireo anaty fahasarotana. Na izany aza, miisa 45 ireo  sitrana ka avy any Menabe ny 10 amin’izany. Miisa 14 883 ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana amin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 16 191. Mbola misy 1 129 ireo arahi-maso ny toe-pahasalamany.

Miisa 68 787 ny fitambaran’ny fitiliana PCR vita raha 7 350 kosa ny fitiliana Genexpert.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.