Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

11 è Fed: 518 tapitrisa euros avy amin’ny UE

Mitentina 518 tapitrisa euros ny vola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE), iadiana amin’ny fahantrana sy hanarenana ny toekarena eto Madagasikara. Avy amin’ny Tahirimbola eorpeanina ho an’ny fampandrosoana andiany 11 è Fed ity fanampiana ity, ao anatin’ny fandaharanasa Programme indicatif national (PIN), ho an’ny fe-potoana 2014-2020. Miandraikitra ny fandrindrana sady manara-maso ny fanatanterahana ny asa ny Birao manohana ny fiaraha-miasa any ivelany (BACE).

Nilaza ny talen’ny BACE, Rakotomahefa Bruno Maurille, fa mifandray amin’ireo minisitera mahazo ny famatsiam-bola izy ireo, mijery ny tetikasa ho tanterahina. Miantoka ny fanaraha-maso ny fanatanterahana sy ny firindran’ny tetikasa izahay, raha vao nivoaka ny famatsiam-bola.

Sehatra telo lehibe no voakasiky ny 11 è Fed ao anatin’ny PIN. Ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny asa ho an’ny vahoaka (145 tapitrisa euros), ny lafiny fotodrafitrasa ara-toekarena (230 apitrisa euros) ary ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (130 tapitrisa euros). Manampy ireo ny fanohanana ny fierahamonim-pirenena (8 tapitrisa euros) sy ny fanamorana ny fiarahamiasa teknika (2 tapitrisa euros). Efa nivoaka ny 96%-n’ny vola. Hanampiana ny tetibolam-panjakana ny 21 tapitrisa euros ambiny.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.