Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle

Lomano-Filaharana Afrika: mbola “top 10” i Murielle

 

Misondrotra avo hatrany ny voninahi-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ny taranja lomano. Taorian’ny nahazoany ny laharana faha-7, teto Afrika, ho an’ny 100 m NL, vehivavy, mbola tafiditra “top 10” indray Rabarijaona Tiana Marielle, ho an’ny 400 m NL. Ny fifaninanana “56th Malaysia International Age Group Swimming Championships” ka nahavitany ny hazakazaka tamin’ny fe-potoana 04’35”45 ny nahafahana nametraka ho eo amin’ny laharana faha-10 eto Afrika. Filaharana navoakan’ny Cana (Confederation africaine de natation), omaly, ho an’ny taona 2020. Tsiahivina fa maro ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehiny tamin’ny taona 2019, nahazoany “record national” maromaro. Isan’izany ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny 400 m NL, ny namontsanany ny zava-bita tsara indrindra nasionaly io. Nandray anjara tamin’ilay fifaninanana natao tany Gwangju, Corée, ihany koa i Murielle ka zava-bita tsara indrindra nasionaly roa ny montsany (50 m basse/200 m NL).

Raha hiverenana ity filaharana nivoaka ity teo amin’ny 400 m NL, azon’i Dune Coetzee ny laharana voalohany (04’19’’19).

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.