Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana

Dihy fanatanjahantena: vita ny famindram-pahefana

Enim-bolana aty aoriana, tontosa ny famindram-pahefana teo amin’ny mpitantana teo aloha ny federasiona, ny dihy fanatanjahantena, i Leccia Jean Christian (Xian) sy ny filoha vaovao, i Rijamanitra. Ny alatsinainy lasa teo, teny Antanimena, ny nanatanterahana izany. Nandritra io fotoana io ny nanolorana ny mpitantana vaovao ny “statut”, ny fitsipika anatiny ary ny tatitra natao teny anivon’ny ligy. Nambaran’ny filoha am-perinasa fa maro ny tetikasa fa mbola haverina hampahafantarina izany amin’ny fanolorana ny birao vaovao, hatao tsy ho ela. Isan’izany ny fanakaikezana bebe kokoa ny ligy ahafahana miara-miasa ho fampandrosoana ity taranja ity. Eo ihany koa ny hamerenana indray ny fankafizan’ny olona izany dihy fanatanjahantena izany. Fanamby apetraka kosa ny hisian’ny fifaninanana matetika, ny hanantanterahana ny fifaninanana nasionaly goavana sy ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena. Tsiahivina fa ny volana marsa lasa teo no vita ny fifidianana ny mpitantana ny federasiona malagasy ny dihy fanatanjahantena, hitondra mandritra ny efa-taona manaraka.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.