Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra

«World clean up day »: nandray anjara ny tetikasa Kopakelatra

Fampirisihina ny mponina amin’ny fandraisana anjara amin’ny ady amin’ny loto ny “World clean up day”. Andro iray natokana ho an’ny fahadiovana ka anisan’ny nandray anjara tamin’izany koa ny tetikasa Kopakelatra, an’ny Star, ny asabotsy teo. Nafantoka tamin’ny fanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika izany, tamin’ity taona ity. Raha toa ka amina toerana voatokana hatramin’izay no misy ireo toeram-panangonana tavoahangy, nanatona ireo mponina kosa ny tetikasa Kopakelatra, ny asabotsy teo. Nisy ny “caravane”, izay notontosaina tamin’ny lalana Ambohimanarina-67 Ha hatreny Ampefiloha. Nentanina hanatitra ireo tavoahangy plastika any aminy ireo mponina mba hangonina sy hopotehina. Natao endrika fifaninana izany ka zay mahangona tavoahangy maro indrindra no mahazo ny loka 100.000 Ar. Tratra ny tanjona amin’ny “Clean up day” ny hariva, satria nahatratra 400 kilao tany ho any ny tavoahangy voangona nanaditra ny “caravane”.

Zo ny Aina

 

Les commentaires sont fermées.