Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho an’ny tany mahantra: manampy ny G20 amin’ny fanalefahana trosa

Fanalefana trosa na fanafoanana izany avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra ho an’ny tany mahantra. « Fanomezana farany » ahafahan’ny fanjakana mizaka trosa hafa any amin’ny sehatra tsy miankina. Nanomboka izany fanalefahana na fafoanana trosa izany ny mpikambana ao amin’ny G20*, ny volana avrily tamin’ity taona ity, rehefa tafiditra amin’ny tany afrikanina maro ny Covid-19.

Iaraha-mahalala ny fitotongan’ny toekarena ankehitriny, ilàna famatsiam-bola ho an’ny firenena tsy ampy vola (PFR)*. Antony nahatonga ny G20 nandray fepetra ho fanalefahana ny trosa amin’izay firenena afrikanina mangataka izany. Miombon-kevitra, ohatra, ny fanjakana eoropeanina sy ny banky hanitatra izany any amina sehatra tsy miankina, hanamaivana ihany koa ny trosan’izy ireo.

Misy ihany ireo mpampiasa vola niala an-daharana, na miasa ihany fa misafidy mampihena izay azo ahena, toy ny isan’ny mpiasa, ny sehatra trandrahina. Mifidy tombom-barotra kely fa mizotra ny raharaha, toy izay mampiasa volabe nefa mety hiteraka fatiantoka goavana. 6 000 miliara dolara ny fanitarana tetibola avy amin’ireo banky foibe ao amin’ny G20, nandraisana anjara amin’ny toeran’ireo sahirana noho ny fihanaky ny valanaretina, manampy amin’ny fiatrehana ny trosan’ny firenena sasany.

 

R.Mathieu

G20*: Ahitana firenena 19 miampy ny Vondrona eoropeanina

PFR*: Pays à faible revenu

Les commentaires sont fermées.