Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fondation Telma: manangana sekoly hisian’ny fampandrosoana

Ny Mokotra    any amin’ny faritra Menabe no sekoly faha78 najoron’ny Telma sy ireo tompon’andraikitra samihafa ao an-toerana ary ny ONG Blue venture Mokotra. Fanamby lehibe ho an’ny Blue Ventures tamin’ny 2018  ny mijery izay zaza tokony hianatra 158 eo anelan’ny 13 hatramin’ny 14 taona, zaza latsaky dimy taona miisa 98 amin’ny tanàna telo : Belalanda, Marovitiky ary Mokotra.

Kendrena amin’ity sekoly ity ny fanabeazana manomana amin’ny lafiny fihariana mifandraika ao amin’ny faritra. Izay tetikasa rehetra atao amin’ny faritra mety amin’ny antom-piveloman’ny mponina, fanomezana ho azy ireo ny kojokoja mifandraika amin’izany. Sekoly fanomanana amin’ny seha-pihariana rehetra, manomboka amin’ny teti-pihariana rehetra.

10 taona izao ny Fondation Telma,  niova Fondation Axian, ny volana avrily 2020, misy 5000 ireo mpira-miombon’antoka aminy aty amin’ny faritra ranomsimbe Indianina sy Afrika ; misehatra amina sehatra maro ivontoeran’ny fampandrosoana, indrindra eo amin’ny fifandraisandavitra, ny varotra, ny indostria, ny fifanakalozana, ny fiarovana ny tontolo iainana. Mira-miasa amin’ny mpira-miombon’antoka maro ny Fondation Axian amin’ireo rehatra ireo, ary izao atomboka any amin’ny sekoly ambaratonga voalohany izao ny fiatrehana izany.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.