Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

 

Karate-Analamanga: efa saika misokatra avokoa ny Dojo fikotranana eto amin’ny ligin’Analamanga, ho an’ny taranja Karate. Efa fantatra tsara amin’ny fanajana sy fanarahana fitsipika ny mpiangaly ity taranja ity, raha ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomalala Jean Paul, ka tsy ilaina fanentanana amin’ny fanajana ny fepetra. Isan’izany ny famerana ny isan’ny mpikotrana, tsy tokony hihoatra ny 100, ny fanasana tanàna ary ny fanajana ny elanelana.

 

Judo-Analamanga: Miandry ny “coup d’envoi” avy amin’ny Ministera, ny fanatanterahana ny fifidianana eo anivon’ny Ligin’Analamanga Judo, raha ny nambaran’ny filoha amperin’asa, Raoelison Vola. Raha ny tokony ho izy, amin’ny volana oktobra ho avy io, ny tokony hanaovana ity fifidianana ity. Mahakasika ny famerenana ny fanazaran-tena kosa, tsy mbola isan’ireo taranja mamerina ny kotrana ny Judo. Nambaran’ny mpanazatra fa tsy maintsy miandry torolalana avy amin’ny filohan’ny FMJ, izany.

 

Nangonon’i Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.