Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Ho fisorohana ny fanapoizinana sakafo, mpitantana toeram-pisakafoana na gargaoty 336 ny nahazo fanentanana avy amin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (sampandraharaha misahana ny kalitao sy ny fahadiovan’ny sakafo) sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ity herinandro ity tetsy amin’ny tranom-pokonolona Isotry. Tanjona iraisana ny hanolorana hatrany sakafo ara-pahasalamana sy tsara kalitao ho an’ny mpanjifa. Eo koa ny fisorohana ny fanapoizinana sakafo eny amin’ireny toeram-pisakafoana anisan’ny manavanana ny vahoaka ireny.

Betsaka ny olona mivarotra ny entana ao an-trano azo avadika ho vola haingana manoloana ny fahasahiranana hiatrehana ny fidiran’ny mpianatra. Ireo tokantrano sahanin’ny olon-tokana indrindra vehivavy irery no tena tojo olana amin’izao fotoana izao. Sasa lamba, asa an-trano, ny asa antselika ahazoana vola tsy mahavita ny filana fototra no raisina isan’andro arakaraka ny asa. Mirongatra rahateo ny ala-boty eny anivon’ny fokontany ka raha vao tsy malina, lasa ny lamba miahy eto an-tokotany sy ny entana ao an-dakozia.

Les commentaires sont fermées.