Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao

Volley-FMVB: tapahina amin’ny fivoriana ny fifaninanana mbola azo atao

Efa manomboka mamerina tsikelikely ny fampandehanan-draharaha avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo federasiona isan-tsokajiny. Na dia mbola tsy afaka manatanteraka hetsika ara-panatanjahantena aza, efa samy manantena ny hiverenan’izany tsy ho ela ireo mpitantana sy atleta ary ny ekipa nasionaly. Ho an’ny taranja Volley ball, amin’ny fivoriana hatao ato ho ato, ny hanapahana izay fifaninanana mbola azo tanterahana sy ireo tsy maintsy hofoanana. Efa nisy anefa ny resaka nandeha fa mety tsy hisy fifaninanana ho vita intsony amin’ity taona ity fa hosoloina fiofanana izany. Mbola tsy fantatra, araka izany, izay hatao fa miandry izay fivoriana izay, raha ny nambaran’ny filoha lefitry ny federasiona malagasy ny Volley ball, Ranaivoson Mamy.

Mahakasika ny fanazaran-tena indray, efa nahazo alalana hamerina ny fanomanan-tenan’ireo atleta sy ekipa nasionaly, avokoa, ny federasiona, ny ligy, ny seksiona ary ny klioba tsirairay, saingy mila hatao anatin’ny fanarahana ny fepetra hatrany izany rehetra izany. Ho an’ny taranja Volley ball, mbola matahotra sy mitandrina avokoa ny rehetra, na dia efa misy aza ekipa sy klioba efa manatanteraka izay fanazaran-tena izay. Tsy mbola misy lalao be atao fa ny ara-batana aloha no averina tsikelikely, taorian’izay ela tsy nihetsehana izay, raha ny nambaran’ny mpanazatra klioba.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.