Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tao anatin’ny roa andro: 46 ireo olona tsy nanao arotava

Tao anatin’ny roa andro: 46 ireo olona tsy nanao arotava

Tao anatin’ny roa andro, nahatratra 46 isa ireo olona tratra tsy nanao arotava. Isa voaangona nandritra ny hetsika ataon’ny Police urbaine eo anivon’ny commissariat central d’Antananarivo, ny talata sy alarobia teo. Voasazy avokoa ireo tsy manaja ny fepetra fiarovana ny fihanaky ny valanaretina ka nampanaovina ny “Travaux d’intérêt general” na TIG. Miisa 43 kosa ireo moto voasava ary fantatra fa tsy ara-dalàna ny taratasy momba azy. Ankoatra izay, mpanampy mpamily miisa valo ihany koa tratran’ny polisim-pirenena tsy nanao arotava “visière”.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.