Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

KOM-Fiofanana: hiditra an-tsehatra ny fibatana fonjamby

Manao sesilany ny fanomezana fampiofanana avy amin’ny Komity olympika malagasy sy ny FMHMC (Fédération Malagasy d’Haltérophilie de Musculation et de Culturisme). Hiditra an-tsehatra, manomboka anio, amin’ny fiofanana ho mpanazatra “niveau 2”, ny eo amin’ny taranja fibatana fonjamby. Etsy amin’ny foiben’ny Malagasy Rugby Ankorondrano ny hanaovana izany, raha ny fanazavana, raha toa ka mbola tsy fantatra kosa ny isan’ireo hiofana.

Ho an’ny taranja Escrime kosa, miditra amin’ny andro fahenina ny fiofanana etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Nohamafisin’ny mpampiofana fa tsy maintsy miatrika fanadinana ireo mpiofana ka izay afaka ihany no mahazo ny diplaoma, hozaraina amin’ny fiafaran’ny fampiofanana, amin’ny fiandohan’ny herinandro izao. Omaly, nanomboka niditra bebekokoa tamin’ny fampiharana ny mpiofana. Tsiahivina, 14 mianadahy ny hizarana traikefa ho mpanazatra “niveau 1” eo amin’ity taranja Escrime ity.

 

Mi.Raz

 

 

Les commentaires sont fermées.