Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

 

Efa nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny valim-panadinana CEPE ho an’ny faritra Boeny, araka ny fampitam-baovao nataon’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana any an-toerana. 64,83% ny taha ho an’ny faritra. Ny tany Soalala no nahazoana vokatra mendrika indrindra 67, 83% ary Marovoay no latsaka indrindra 57, 24%. Azo ambara ho tsara ny vokatra raha miohatra amin’ny ny fahatapahan’ny fampianarana tao anatin’ny fotoana maharitra.

Nahatratra 1214 ny isan’ny mpiadina CEPE ho an’ny distrikan’i Betroka, tamin’ity taona ity, niparitaka tamin’ny foibe 13, ny talata lasa teo. Betsaka ireo mpiadina tsy tonga nanatrika ny fanadinana satria nalain’ny ray aman-dreny nody any ambanivolo. Tsy nanana vatsy nomena ny mpianatra ny fianakaviana ka nanala azy ireo tany an-dakilasy, hoy ny mpitantana ny fanabeazana any an-toerana. Hivaly, rahampitso, ny CEPE any an-toerana.

Les commentaires sont fermées.