Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanafihana miharo vono olona: voasambotra ireo jiolahy tompon’antoka

Fanafihana miharo vono olona: voasambotra ireo jiolahy tompon’antoka

Tra-tehaky ny polisy avy ao Matsiatra Ambony tao Tolongoina, distrikan’Ikongo ny lehilahy miisa enina voarohirohy tamina fanafihana mitam-piadina miharo vono olona tao an-toerana. Tranga izay niseho ny alahady 13 septambra lasa teo. Fantatra tamin’izany fa nanafika tokantrano iray ireo andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadina, ny alarobia 2 septambra lasa teo. Novonoin’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana tamin’izany. Mbola voaroba ihany koa ny fananany sarobidy rehetra niampy ny basy miisa roa. Taorian’izay, tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, saingy efa tafatsoaka ireo jiolahy. “Manoloana ny antso vonjy nataon’ny niharam-boina sy ny tsy fahampian’ny isan’ny zandary miasa any an-toerana dia niditra an-tsehatra nanenjika ireo jiolahy ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Fianarantsoa”, hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Nisokatra nanaraka izany koa ny fanadihadiana ny raharaha. Tao anatin’izany indrindra, voasambotry ny polisy ny lehilahy misazy iray. Manao asa ivelan’ny fonja izy ary fantatra fa efa nanafika sy nandrahona ho faty ireo olona niharam-boina talohan’ny nifonjany. Nanaovana fanadihadiana ny tenany ary niaiky ny heloka vitany. Mbola nanondro ihany koa ireo namany miisa fito, monina ao amin’ny kaominina Tolongoina, distrikan’Ikongo izy. Taorian’izay, nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka voasambotra avokoa izy fito lahy. Tao anatin’izay anefa, niharan’ny hatezeran’ny fokonolona marobe ireo mpamita iraka. “Sarotra ny namehezana ny raharaha na dia efa nanampy ny polisy tamin’ny fandaminana ireo vahoaka aza ny Ampanjaka tany an-toerana”, hoy hatrany ny fanazavan’ny polisim-pirenena. Nandritra ny savorovoro niseho, nanararaotra nitsoaka ny roa lahy tamin’ireo voasambotra. Voatery nanao tifi-danitra ny polisy hanajanonana azy ireo, saingy tsy nijanona ireo jiolahy. Vokany, voatery nitifitra ireo polisy ka maty noho ny ratra nahazo azy izy roa lahy. Taorian’ny lamina rehetra, tafaverina tamin’ny fianakaviany ireo vata-mangatsiaka. Ireo enin-dahy hafa kosa nentina an-tongotra hatrany i Sahambavy, distrikan’i Lalangina. Voalaza fa mirefy 40km ny lalana.

 

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.