Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana

CEPE-Toamasina: nisy mpiadina diso ivontoeram-panadinana

Tao anatin’ny orana mikija no niatrehan’ ireo kilonga madinika, ny tapak’ andro voalohany teo amin’ny fanadinam-panjakana CEPE teto Toamasina tampon-tanàna, ny talata lasa teo. Ho an’ny etsy amin’ny CEG Ratsimilaho, izay nanaovan’ireo tomponandraiki-panjakana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-panadianana, nahatratra hatramin’ny 52 ny tsy tonga nanatrika ary mpiadina telo mianadahy kosa diso ivontoeram-panadinana. Nandray andrakitra avy hatrany nanatitra azy ireo teny amin’ny ivontoerana tokony hanaovany fanadinana ny mpikarakara. Miisa 7428 ny mpiadina voasoratra anarana anatin’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, araka ny  nambaran’ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Toamasina I, Ramarolahy Joseph. Tombanana havoaka mialoha ny tetiandron’ny fanadinam-panjakana faharoa BEPC ny voka-panadinana CEPE. Amin’ny ankapobeny, nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana ary tomefy mpitandro filaminana rahateo ny manodidina ny sekoly nanaovoana ny CEPE. Teo amin’ny fenitra ara-pahasalamana, narahina ny fepetran’ny hamehana ara-pahasalamana mialoha ny hidiran’ny ankizy ny tokotanin-tsekoly.

Sajo

Les commentaires sont fermées.