Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tafakatra 214 ireo matin’ny valanaretina: iray lavon’ny covid-19, enina ny tranga vaovao eto Analamanga

Tafakatra 214 ireo matin’ny valanaretina: iray lavon’ny covid-19, enina ny tranga vaovao eto Analamanga

Midina hatrany. Miisa 34 ireo tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina covid-19, omaly tamin’ny fitiliana miisa 552 natao, araka ny tatitry ny CCO. Avy eto Analamanga ny enina amin’izany raha 11 ny any Alaotra Mangoro. Valo kosa ny any Diana raha telo ny any Sava.

Mbola niverenany indray ny any Itasy

Niverenany indray kosa ny any Itasy, ahitana tranga roa raha efa tsy nisy narary intsony tany an-toerana fa sitrana avokoa. Roa tahaka izany ny any Vatovavy Fitovinany raha iray avy ny any Matsiatra Ambony ary telo ny any Sofia.

Etsy an-daniny, iray lavon’ny covid-19 ka avy any Amparafaravola izany.

Olona faharoa maty tany Amparafaravola

Olona faharoa matin’ny valanaretina tato anatin’ny herinandro, tany amin’ity distrika any Alaotra Mangoro ity izy io. Tafakatra 214 izany izao ireo nodimandry noho ny coronavirus eto amintsika, hatramin’ny 19 marsa no ho mankaty.

Na izany aza, miisa 41 ireo sitrana ka anisan’ny maro tamin’izany ny tany Menabe, miisa 12 sy ireo 10 tany Alaotra Mangoro. Tafakatra 14 452 izany izao ireo nahafeno ny fepetra ho amin’ny fahasitranana tamin’ireo mitondra ny tsimokaretina, miisa 15 803. Nidina ary nihena ho 1 135 kosa ireo mbola tsaboina sy arahi-maso ny toe-pahasalamany. Miisa 29 kosa ireo marary anaty fahasarotana “forme grave”, amin’izao fotoana izao.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.