Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sarimihetsika malagasy: hivoaka rahampitso ny DVD « Melok’elà »

Sarimihetsika malagasy: hivoaka rahampitso ny DVD « Melok’elà »

Tafaraka ireo samy andrarezin’ny sarimihetsika malagasy! Hivoaka DVD, rahampitso alakamisy 17 septambra, maneranany Nosy, ilay tantara mitondra ny lohateny hoe « Melok’elà » novokarin’ny Tatatata Production. Ireo mpilalao kalaza sy manana ny mampiavaka azy eo amin’ny filalaovana sarimihetsika no tazana manome aina ny “Melok’elà”. Anisan’izany i Tsarafara (Rajao), i Jocelyn (Pasitera), i Sahondra (Raly), i Israel (Fetra), i Sombiniaina (Chantal), sns. Saika ireo tazana nilalao ilay andian-tantara “Malok’Ila” izy ireo. Mpifamofo eo am-piomanana ny hivady i Pun sy i Lafatra. Eo am-panatanterahana iraka miatrika dahalo anefa i Lafatra vao mahafantatra fa naman’ny dahalo ity fofom-badiny. Ho raikitra ihany ve ny fanambadian’izy roa ireo?

Fanambin’ny Tatatata Production ny hatsaran’ny kalitaon’ity vokatra voalohany havoakan-dry zareo rahampitso ity. Ireo efa manana traikefa matanjaka amin’ny fandavorariana sarimihetsika tahaka izao no niantsoroka ny lafiny teknika. Anisan’izany i Germain Andriamanantena teo amin’ny fanatontosana.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.