Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Lalao firahalahiana: tsy ho avy i Metanire, baraingo ny amin’i Amada sy i Paulin

Kitra – Lalao firahalahiana: tsy ho avy i Metanire, baraingo ny amin’i Amada sy i Paulin

Miandry ny valin-tenin’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) izany sisa dia ho fantatra izay hanaovan’ny Barea de Madagascar, lalao firahalahiana eo amin’ny fanomanana ny fihaonana hikatrohana amin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Efa nanaiky i Nicolas Dupuis fa ny Etalons n’i Borkina Faso no hanaovana izany. Andrasana ihany koa ny daty hanatontosana ny lalao, izay eo anelanelan’ny 9 ka hatramin’ny 14 oktobra, ho avy izao. Tsy tokony hisy intsony ny olana satria efa nifampiresaka tamin’io firenena io ry zareo tompon’andraikitry ny federasiona. Hotanterahina any Lisbonne, Portugal izany lalao izany. Ankoatra izay, fantatra fa tsy ho anisan’ireo mpilalao hiatrika izany i Romain Metanire, vodialaharana havanana. Noho ny tsy fisian’ny sidina miala ao Etazonia mankany Eoropa, ny anton’izany. Mbola baraingo kosa ny amin’i Voavy Paulin sy i Ibrahim Amada, izay tena ao anatin’ny fifaninanam-pireneny mihitsy, ankehitriny. Paulin miatrika izany any Egypta ary i Amada any Quatar. Mety tsy hisy ihany koa mpilalao avy eto an-toerana na maniry ny hiantso azy ireo aza i Nicolas Dupuis, noho ny antony ara-bola. Manam-pikasana ny hampivondrona ireo mpilalao rehetra ao Frantsa, roa herinandro mialoha ny lalao i Nicolas Dupuis, mba hisian’ny fiarahana matotra eo amin’ny mpilalao.

Ankehitriny, manao antso avo ny FMF hifanome tanana sy hifanampy hoentina miatrika io lalao io, izay zava-dehibe tokoa  satria tsy mbola tomombana ny ara-bola.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.