Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Dren 15 amin’ireo 22 misy no efa naharay ny anjara laza adina ho an’ny BEPC 2020 hatramin’ny fiandohan’ny herinandro : Analamanga, Sofia, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Bongolava, Atsinanana…. Navantana avy hatrany eny anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena ireo laza adina ireo mialoha ny hizarana azy eny anivon’ny ivontoeram-panadinana tsirairay avy hahazoana antoka ny fiarovana azy. Ireo talem-paritry ny fanabeazam-pirenena any an-toerana avy no nanatrika ny fandraisana ireo laza adina ireo.

Manoloana ny haintrano nianjady tamin’ireo mpianatry ny oniversiten’i Toliara, nitondra ny anjara birikiny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Vary 20 gony, tsaramaso dimy gony, araka izany, no voinkava-mahatratra nentin’ny minisitera nanamaivanana ny fahasahiranan’ireo mpianatra traboina 62 ireo.

Les commentaires sont fermées.